Jesoa mpamonjy mpiandry tokoa


Retour

JESOA Mpamonjy Mpiandry tokoa,

Ampivereno hanaraka Ano

Ondry mania manary ny soa,

Aza avela hiala aminao

 

2.Taomin’ny ratsy, fitahin-tSatana,

Mila ho lasan-ko babo’zahay :

Fa Hianao no mahery mitana,

Tsy hahavery ny ondry iray

3.Varivariana, salasalaina

Be ahiahy, jereo izahay;

Ampianaro ny tsy ary saina

Ampitsaharo ny fanianay

 

4.Aina nomenao hisolo ny very,

Ary ny Ranao nanavotra anay,

Fa Hianao no nitondra irery

Fampijaliana hanitsy anay

 

5.Fa ny fiainan-tsi-hita resenao;

Velona mandrakizay Hianao;

Dia fiainana an-danitra omenao

‘Zay ondry mety manaraka Anao

 

Amena

 
Numéro de page - 136