MISY Sakaizan-jazakely
Ary an-danitra,
Sakaiza tsy miova,
Fa tia fatratra:
Ny zavatra rehetra
Miova avokoa,
Fa izy no mitoetra
Maharitra tokoa
2.Ka ny zazakely tsara,
‘Zay tia ny Ray aty
Hiala sasatra any
Ho sambatra tokoa;
Fa afa-pahotana
Sy alahelo koa,
‘Zay tonga amin’i Jesoa
Mpandry ondry soa
3.Misy fitsaharan-jaza
Ary an-danitra,
Ny Tompo no Mpanjaka
Be voninahitra
Aty tsy misy tsara
Hoharina aminy:
Fo faly ravoravo
Izay ananany
4.Misy satro-bolamena
Ary an-danitra
Ka hisatrohan-jaza
Am-pifaliana;
Omen’ny Ray izany
Mba hanehoany
Fa tia ny zaza Izy
‘Zay tena zanany
5.Misy fihirana tsara
Ary an-danitra
Hiraina lalandava
Tsy mahasasatra;
tsy azon’ny anjely
hatao io hira io
fa tsy Mpamonjy azy
Fa Tompo Jesoa tia
6.Misy lamba tsara homena
Ny zazakely soa,
Lokanga volamena
No tendreny koa;
Ry Jesoa, asandrato
Ny zazakelinao,
Ka ento mba hahita
Ny voninahitrao
Amena