AVIA, ry zazakely,
Rankizy, mba avia,
Mahaiza re midera
Ny Tompo be fitia;
Ankizy no nihira
‘Lay fihirana hoe:
“Hosana an’i Kristy,
Mpanjaka lehibe”
2.Antonona sy mety
Ny fiderananareo
Ilay Mpanjakantsika;
Ka manandrata feo,
Miendrika hoderaina
Ny voninahiny,
Fa Izy no Mpamonjy
Antsika zanany
3.He, ry zatovolahy,
Mba mahereza re;
Fa Jesoa koa niasa
Tam-pahasasaram-be;
Ny zazavavy kosa
Ho maotina sy madio
Am-pahamoram-panahy
Sy faharetam-po
4.Tsy ela dia ho hita
Ilay tanàna soa
‘Zay hivorian-jaza
Hifaly avokoa;
Ry Jesoa ô, mba diovy
Ny fon’ny zanakao,
Mba hohirainy any
‘Lay fihiram-baovao
Amena