ITY natsangana ho Anao,
Naorinay ho tranonao
Ry Tompo ô, ka mba jereo
Sy hamasino ho Anao
2.’Zay tonga aty an-tranonao
Hifona noho ny otany,
Henoy ary an-danitra
Ka mamelà ny helony
3.Ny irakao miasa aty
Ombay ny fitahianao;
Ny teny hotorina aty
Hitaona anay ho olonao
4.Atreho re ny olonao,
Ka aoka koa ho tranonao
Ny fo sy ny fanahinay,
Fa fo no trano tianao
Amena
Mety hatao koa ny fihirana 142, 146, 155, 163, 180, 211, 225, 236