Ry Tompom-pahavokarana ô,
Misaotra Anao ny olonao
Fa voarainay taminao
Fa vokatry ny taninay;
Ka Hianao isaoranay
Fa be ny soa raisinay
2.Ny voa maina nentinay
Nafafy tao an-tsahanay
Dia novelominao tokoa,
Fa avy taminao ny soa;
Ka toy izany, Tompo ô,
Ny maty hovelominao
3.Mazava re ny anatrao
Lazain’ny fanoharanao:
Ny irakao hanangona
Ny olonao mba hotsaraina;
Ny tsara no horaisinao
Ny ratsy dia harianao
4.Ka isan’andro izahay
Mangataka ny haninay
Mba hamahananao tokoa;
Ny tena sy fanahy koa;
Ka aoka hovelominao
Izay miankina aminao
Amena