HE! Sahanao Mpamonjy ô,
izao rehetra izao
Ka be izao ny vokatra ao,
Fa vitsy ny mpanao
2.Indreto tonga izahay
Hivavaka aminao,
Haniraka ny namanay,
Hiasa ho Anao
3.Ny firenena marobe
Sy nosy mba tahio;
Indrindra fa ny taninay,
Ry Tompo ô, ahio
4.Tariho ny Evekenay,
Omeo herim-po
Hanohitra ny sandoka
Hanonana ny to
5.Ny Presbyteranay ombao
Ny sainy hazavao
Omeo ny Diakonay
Ny zotom-po madio,
6.Tariho re ny olonao
Hihaino sy hanoa,
Mba hahitany aminao
Ny asa mahasoa
Amena