Ry tompo ao an-danitra ô


Retour

RY Tompo ao an-danitra ô,

Aidino ny Fanahinao,

Mba hitahianao izao,

Mpanompo voatendrinao

 

2.Ka raha ambarany ny to,

‘Zay voarainy taminao,

Aoka ho mazava sy madio

Ny tenin’ny mpitandrinao

 

3.Omeo azy zotom-po

Sy fahendrena Masina

Mba hitondrany ao am-po

Ny olo-nahafatesanao

 

4.Mivavaka izy ka tahio

Mba tsy ho resin-tahotra;

Miambina izy ka ahio

Ny fiambenan-tsarotra

 

5.Ka raha tapitra taty

Ny fanompoany Anao

Mba raiso ny fanahiny

Ho am-pelatananao

 

Amena

 
Numéro de page - 125