Ry mpisaona malahelo


Retour

RY mpisaona malahelo,

Mijere ny Tomponao,

Zay namindra ny malala

Mba  ho ao an-danitra;

Mba fafao ny ranomaso,

Andrandrao ny lohanao

Mitsahara, ry mpisento,

Ka derao ny Tomponao

 

2.Sento no anajarantsika;

Izy re mifaly izao,

Afa-jaly, afaka ota,

Tapitra  ady izy izao

Tsy mba misy ranomaso

Na izay mahory koa;

Alahelo mba tapaho,

Ka derao ny Tomponao

 

3.Nofo no aterintsika

Ao am-pasana ao anio,

Ny fanahiny anefa

Tsy mba ao anatin’io,

Jesoa no namindra azy,

Lasany ny havanao

Fa navotany ho Azy,

Ka derao ny Tomponao

 

4.Mangataha andro lava

Mba hiainanao aty,

Ary na ho faty aza

Miankina aminy,

Mba ho raisiny tokoa

Hiditra ao an-dapany,

Sy hekeny ho sakaiza

Monina ao an-tranony

 

Amena

Mety hatao akoa ny fihirana 28, 143, 159, 162, 165

Numéro de page - 124