RY Tompo ô, tsinjovinao
Ny mila famonjena,
Ka ta-hatao batisa izao
Satria manantena
Fa ho Anao mandrakizay,
No rava aza itony lay
Onenananay an-tany
2.Fa Hianao no tsy mandà
Ny ory sy mpanota,
Nalatsakao ho azy ny Ra
Hanaisotra ny ota;
Ka tonga izahay izao
Mitady mba ho diovinao,
Ka raiso re ny fonay
3.Mifona, Jesoa izahay,
‘Zay efa voaisa
Ho olonao izay mandray
Ny soan’ny Batisa;
Mampahereza anay am-po,
Mba tsy hilaozanay ny to
Ampara-pahafaty
Amena