Ry Ray Tsitoha, Zay namorona
Izao rehetra izao,
Mba mijere ny zanakay aty
‘Zay entina ho Anao;
Tariho hahazoany
Ny famelana ny helony,
Ry Rainay ô!
2.Ry Zanaka, Zay maty ho anay,
Omenay ho Anao
Mba hotrotroinao ny zanakay
Ao amin-tsandrinao;
Aoka izy hotarihina
Hifidy làla-marina,
Ry Jesoa ô!
3.Avia koa, ry Parakleto ô,
Tahio ny zanakao,
Ka alatsaho re ny afonao
Mba hivelomany;
Ka raha mbola zaza izao
Ataovy ho tempolinao,
Fanahy ô!
4.Ry Trinite Isaorana tokoa,
Miteny izahay,
Kanefa Anao ny faherezana
Hanefa teninay,
Koa tanteraho ho anay
‘Zay efa nangatahinay,
Jehovah ô!
Amena