MBA mamindrà fo aminay
Ry Jesoa Tompo ô
Fa tsy miendrika izahay
Hanatona Anao
2.Ny fonay mangatsiaka
Fa diso ny atao,
Kanefa re mahafaka
Anay ny teninao
3.Tsy miendrika tokoa ‘zahay
Ry Andriamanitra ô,
Kanefa omenao ho anay
Ny Ra sy Tenanao
4.Avia, ry Jesoa Masina ô
Ho ao anatinay,
Fenoy ny fitiavanao
Sy hery izahay
Amena