ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, mifona aminao izahay, tsinjovy amin’ny fahasoavanao ny mpianakavinao, izay netezan’i Jesoa Kristy Tomponay havadika sy hatolotra amin’ny tànan’ny olona rats fanahy, ary hiaritra ny fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana; nefa velona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina Izy ankehitriny, Andriamanitra Iray mandrakizay mandrakizay Amena
ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, ny Fanahinao no anapahanao sy anamasinanao ny EklesIanao : Koa henoy ny vavaka sy ny fitarainana izay ataony ho an’ny olona samy hafa toetra ao aminy, aoka izy rehtra samy hanompo Anao amin’ny fahamasinana sy ny fitondrantena sitrakao, amin’ny anjara fanompoana izay noantsoana azy avy; amin’ny alaln’I Jesoa Kristy Tomponay Amena.
ANDRIAMANITRA mamindra fo, Mpanao ny olombelona rehetra ô, tsy misy tsy tIanao izay efa nataonao, sady tsy sitrakao ny hahafatesan’ny mpanota fa aleonao ny hiovany fanahy mba ho velona: Koa mamindra fo amin’ny Jiosy sy ny Mahomedana sy ny tsy mino ary ny heretika, ka esory amin’izy rehetra ny tsy fahalalana sy ny fahamafisam-poary ny fanamavoana ny teninao, ka dia ampodio ho isan’ny ondrinao izy, Tompo isaorana ô, mba ho vonjena miaraka amin’ny Israely marina, ka ho tonga andiany iray andrasan’ny Mpiandry iray dia Jesoa Kristy Tomponay Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina Andriamanitra Iray ihany mandrakizay mandrakizay Amena.