Na dia tsy mendrika aza izahay


Retour

NA dia tsy mendrika aza izahay,

Hisaotra Anao Mpamonjy tia ô,

Ny Fanasanao no itsaohanay

Ny fanatrehanao miafina

 

2.Hisaoranay anie Hianao,

Ry Mpanome ny mofo velona;

Fahano re, ry Kristy tsara ô,

Ka hatanjaho ny fanahinay

 

3.Aoka hosasan’ny Ranao izahay

Ry Loharanon’aina manadio;

Ampitomboy ny fitiavanay

Mba ho anay ny fiadananao

 

4.Ry Kristy ‘zay inoanay aty

‘Zao no irinay ho anjaranay;

Aoka hojerenay mifanatrika

Ny voninahitrao tsy takona

 

Amena

 
Numéro de page - 113