Ry tompo jesoa kristy ô


Retour

RY Tompo Jesoa Kristy ô,

Voavelatra ny latabatrao,

Mba hanatonanay Anao

Hahita ny hamaminao;

Koa diovy re ny zanakao

Ho miendrika handray Anao

 

2.Fa Fanasana masina

Izay ataonao ho anay,

Ny Ranao sy ny Tenanao

Omenao hivelomanay;

Fa sambatra ny olonao

Mandray ny mofon-danitra

 

3.Indraindray dia foana

Ny zava-namboarinao,

Fa tsy mba ta-hanatona

Ny olona navotanao;

Kanefa izy, Tompo ô,

Ny antom-pijalianao

 

4.Mba hohajaina anie,

Ry Jesoa, ny latabatrao;

Tariho olo-marobe

Ho avy mba handray Anao;

Koa aoka mba ho hitany

Ny vonjy tadiaviny

 

5.Ka dia hidera Anao ‘zahay

Ry Trinite Isaorana;

Anao tokoa ny deranay,

Anao ny voninahitra;

Fa Hianao Mpanavotra

Hajain’ny olombelona

 

Amena

 
Numéro de page - 112