RY Rainay ao ambony
Henoy ny zanakao;
Aidino avy any
Ny fitahianao;
Mba diovinao ny fonay
Ho mendrika izahay
Hanatitra amin-dera
Ny Eokaristanay
2.Ry Jesoa Kristy Tompo
Tsinjovinao anio;
Indreto ny mahantra
Idino ka vangio;
Hianao no mofon’aina
Ianao dia tsy mandà
Fa manome ny ory
Ny Nofo sy ny Ra
3.Avia, ry Fanahy
Mba raiso ka tahio
Ny fanalamboady
Aterinay anio;
Avia, ka hamasino
Ny fon’ny olonao
Ka ampionony izy
Ambany elatrao
4.Ry Trinité Jehovah,
Tahio ny zanakao,
Fa izy dia mitady
Hiankina aminao
Fa Hianao no Tompo
Fa Hianao no aronay;
Fa Hianao no toky;
Tsy kivy izahay
Amena