TSAROVANAY izao, Ray be fitia,
Ilay nividy anay tao Kalvary
Ka tonga ato ny Sakaizanay,
Izay mifona ho anay ary;
Atolotra ho Anao ankehitrio
Ilay fanati-tsitrapo madio
2.Jereo, ry Ray, ny Voahosotrao,
Sy izahay voadion’ny Rany soa:
Fa aza heverinao intsony re
Ny helokay mpanota tsy manoa
Fa indro! Avotray mipetraka ao:
Ny nijalian’i kristy Zanakao
3.Izany koa ny entinay anio
Hifona eto anatrehanao;
Izay malalanay, Ray ô, tahio
Ny mahadiso azy mba ovao;
Sao very ilay Lakrona tsy mety lo
Homenao an’izay madio am-po
4.Indreto izahay mba entonao
Ho ao an-tongotrao Mpamonjy ô;
Ka aoka io fihina-masina io
No hanatrehanao anay izao;
Afaho’zay rehetra tsininay,
Mba ahitana Anao rahatrizay
Amena