RY Tompo, Kapitenim-pamonjena
Isaorana anie ny Anaranao
Noho ny maro ‘zay manolo-tena
Ka sahy miseho ho mpianatrao
2.Ireo ‘zay atokan’ny Fanahy
Mba ho mpitarika ny tafikao,
Izay mikely aina, tsy manahy
Mba hampandroso aina tsy manahay
Mba hampandroso ny Anaranao
3.Ireo be finoana, mahery
Mandatsaka miaramila vao
Izay mampionona ny manirery
Sy mampahazo namana ny lao
4.Indreo koa ny marobe mpanampy
Mora, miantra, sy mpamindra fpo,
‘Zay manazava ny mpanompo sampy
Ka manambara lova tsy ho lo
5.Naman’ireny indrindra ‘lay Levita
Nety nivarotra ny sahany,
Ho fiantrana ny namany ka hita
Ny Fitiavany ny Tompony
6.Ny asanao tsy very, Barnabasy
Fa mbola fianaranay izao
Enga anie ho hainay Malagasy
Ny mba hanaraka ny dianao
7.Ny irakao, ry Tompo alefaso
Mba hampiononany ny namanay
Mandra-pamafanao ny ranomaso
Ary an-danitra fonenanay
Amena