ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, noho ny fitiavanao ny olona dia nirahinao Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay mba ho tonga nofo, ka hiaritra ny fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana hanarahan’ny olona rehetra ny fanetren-tenany lehibe; Koa omeo ny fahasoavana izahay mba hanarahany ny dianay tamin’ny niaretany, ka ho tonga mpiombona amin’ny fitsanganany tamin’ny maty koa; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay Amena.