MIDERA Anao ‘zahay, ry Jesoa ô,
Noho ny Santa lasa aminao
Izay nanaiky sy nanoa Anao
Haleloia!
2.Hianao no heriny sy arony;
Hianao no Kapitenin’adiny;
Hianao ny fahazavany marina!
Haeloia
3.Aoka ny miaramilanao aty
Hiady tahaka azy handraisany
Ny satro-bolamena valisoa!
Haleloia!
4.He fiombona-mahafinaritra
Mifaly ireo, miady izahay
Nefa miray ihany aminao
Haleloia!
5.Mahazo toky ny mpanomponao
Na misy ady mafy aza izao,
Noho ny hoby re an-danitra:
Haleloia!
6.Rehefa vitanay ny ady aty
Ka mba miala sasatra ary
Faly izahay fa ao am-paradisa!
Haleloia!
7.Fa kely sisa dia hiposaka
Ny Santanao mamirapiratra
Hiaraka aminao Mpanjakanay
Haleloia
Amena