MBA henoy ny feo mihira
Ao an-dapa masina ao,
Haleloia Haleloia
Ho Anao, ry Tompo ô!
Olona tsy hita isa
Maro toy ny kintana,
Voatafy lamba fotsy
Sy misatroka avana
2.Patriarka sy mpanjaka
Mpanamboa-dàlana
Apostoly sy Profeta
Santa sy Evanjelista
Samy vory ao ireo,
Fa naharitra taty,
Dia midera indray miredona
An’i Kristy Tompony
3.Izy ireo nitondra mafy,
Nefa tsy natahotra,
Fa ny ran’ny Zanak’ondry
Ory, lao, fadiranovana
Matin-tsabatra, afo koa
Nefa he! Ny herin’i Jesoa
Nandreseny fasana
4.Koa izao manjaka izy
Amim-boninahitra,
Fa nomena hosotroiny
Rano mahavelona;
Azy koa ny fahitana
Ny tarehin-Tompony,
Ka dia azy ho anjara
Fiadana-masina
5.Ry mazava soa indrindra
Sy Imanoelinay,
Lahitokan’ny Tsitoha,
Tena ikambananay
Ny hafenonao aidino
Aminay hitsaohanay
Ray, sy Zanaka, Fanahy
Tompo Zanahary iray
Amena