Iza moa ireo mitranga


Retour

IZA moa ireo mitranga

Fotsy toy ny helatra,

Ka misatro-bolamena,

Iza no anarany?

He! Henoy ‘lay hira hoe:

“Haleloia, Tompo ô!”

 

2.Iza ireo mitafy lamba

Toy ny haingon-danitra,

Fitafiana mazava

Sy mamirapiratra

Manan-daza sy madio

Taiza nihaviany?

 

3.Izy ireo nandà ny ratsy

Tsy nanao ny mleloka

Fa nanaraka ny Tompo

Ka tsy nety ketraka

Fa nifaly izy izao

Aminao, ry Kristy ô!

 

4.Difotr’alahelo izy,

Nefa tsy namoi-fo;

Ory, nefa nanan-kery

Tamin’Andriamanitra;

ka dia vita ankehitrio

ady mahareraka

 

5.Fa mpisorona izy ireo

Ka niandry teny eo,

Sy mijery ny tsitoha

Andro aman-alina,

sambatra sy masina

Eo anatrehan-dRay

 

Amena

 

Numéro de page - 101