He ny famirapiratan’ireo


Retour

HE ny famirapiratan’ireo

Mponina an-danitra tsara sy to

‘Reo tsy nanota, anjely madio

Tsara tarehy, mazoto am-po

 

2.Tsara ny feon’ny hira atao

Fa mifamaly ny Serafima ao;

Dera sy laza ateriny hoe:

“Masina, masina, masina e!”

 

3.He! ny tandapan’ny Tompo ary

Tonga mpanompon’ny zaza aty

Sady mpitondra ny olona hankao,

Tsy ho sakanan’ny loza manjo

 

4.Andriamanitra masina ô

Tompon’ny maro an-danitra ao

Raiso ny hataka ataonay izao

Aoka izahay mba ho naman’ireo

 

Amena

Mety hatao koa ny fihirana 160, 233

 
Numéro de page - 100