Ry reny tianay hianao


Retour

RY reny tianay hianao,

Fa tian’i Jesoa koa;

Ny maro hankalaza anao

Ho sambatra sy soa

 

2.Ka hianao nandraisany

Ny nofon’olona

‘Lay nofo nijaliany

Hanavotra olona

 

3.Endrey ny hafalianao,

Raha naterakao

Ny Tompo Andriamanitrao

Izay Mpanavotrao

 

4.Ry Zanak’i Maria ô,

Midera Anao ‘zahay

Misaotra mankalaza Anao,

Fanahy sy ny Ray

 

Amena

Numéro de page - 99