AVY tao an-danitra,
Indro Gabriely,
Irak’Andriamanitra,;
Lohan’ny Anjely
Hanambara zava-tsoa
Any Galilia,
Ka izao no teniny
Tamin’i Maria:
2.”Hianao no sambatra
Samy vehivavy!
Hanan-anaka hianao
Ka hitera-dahy,
Jesoa no anarany,
Ka ny fanjakany
Tsy mba hety tapitra,
Tsy hita lany”
3.Eva no voafitaka
Tao an-tanimboly,
Tamin’izy nankato
Tenin’ny devoly;
Tenin’Andriamanitra
No neken’i Maria,
Hampamonjy olona
Ka dia mifalia
4.Arahaba Kristy ô
Zanak’i Maria,
Naka fombanay Hianao,
Fomban’ny mpania,
Dera ho Anao, ry Ray,
Mbamin’ny Fanahy;
Hianao Mpitia anay,
Hianao Mpitahy
Amena