NY reny malala nitondra ny Zaza
‘Zay Lahimatoany teraka teo,
fa teo an-kianjan- tempoly malaza
Ny Lahimatoa tsy maintsy haseho
2.Mpanavotra Izy, kanefa nitondra
Domohina roa ho avony tao;
Ny Tenany aza nanara-dalàna
Hanavotra antsika ho afaka izao
3.Ka indro! nitrotro Ilay nantenainy
Ny anti-panahy, ka faly tokoa
Nilaza an’i Jesoa ho Fanazavana
Ny be sy ny maro sy avony koa
4.Ry Tompo malala! Mba diovy ny foko
Ateriko eto an-tranon’ny Ray,
Mba raisonao aho rehetra ho faty,
Handova toerana mandrakizay
Amena