Ny hery mahatahotra


Retour

NY hery mahatahotra

Sy raho-maizina

No nanatrehanao, Ray ô

Ny Israelinao

 

2.Fa herim-pitiavana

Sy antra lehibe

Ny nihavianao indray

Ho ato aminay

 

3.’Lay afo ‘zay nilatsaka

Tambonin’i Sinay

Dia satro-boninahitra

An-doha masina

 

4.Matevina ny rahona

‘Zay namoahanao

Ny feo nampangovitra

Ny voafidinao

 

5.Fa nony tonga Hianao

Fanahy Masina ô

Hitarika ao am-balanao

Ny ondrinao vaovao

 

6.Dia tonga tampoka indray,

Ka re ny feonao,

Mahery toy ny rivotra

Mifofofofo ao

 

7.Mameno’zao rehetra izao

‘Lay feo ankehitrio

Fa tsy mba itoerany

Izay tsy masim-po

 

8.Avia hianaranay

Fanahy Tompo ô

Mampahaladia ny sofinay

Handre ny antsonao

 

Amena

Mety hatao koa ny fihirana 142, 146,202,222,248

 
Numéro de page - 91