Ry fanahay masina ô


Retour

RY Fanahy Masina ô,

Mba midina Hianao,

Hanadiovanao anay;

Izahay dia ory re,

Hianao no Mpanome

Aina hifalianay

 

2.Ry Fanahy Masina ô,

Satrin’ny mpanomponao

Mba handray Anao izao:

Raha misy manjo anay,

Raha trotraka izahay

Mpampiadana Hianao

 

3.Ry madio sy sambatra,

Iza no finaritra

Raha tsy onenanao?

Ratsy re ny hevitray,

Ratsy koa ny asanay;

Avy aminao ny soa

 

4.Mba sitrano izahay,

Ampodio ny herinay

Hamelomanao anay;

Mandrese ny ditranay

Hitarihanao anay

Tsy hod diso làlana

 

5.Mba avia, Tompo ô

Ka tahio ny olonao,

‘Zay mangataka ny soa;

Fa izay arovanao,

Manam-pamonjena izao,

Ka mifaly aminao

Amena

 
Numéro de page - 90