Avia fanahy masina ô


Retour

AVIA Fanahy Masina ô

Hitahy ny fanahinay,

Aidino afo velona,

Ka hazavao ny hevitray

 

2. Ny fanomezam-pitonao

Atero, ry Mpanasotra,

Fa Hianao no manome

Ny aina sy fiononana

Ampahirato izahay

Hahita ny hadiovanao,

Hosory koa ny tavanay,

Ho miramirana aminao

Sakano ‘zay manafika

Ka ampandrio ny taninay

Raha Hianao mitarika,

Tsy misy izay hanjo anay

Tariho mba ho fantatray

Ny Trinite Isaorana,

Ka dia hatao tsy tapaka

‘Lay hira tsy mitsahatra

Dera ho Anao anie!

Ray, Fanahy, Zanaka ô

Amena

Numéro de page - 88