ANDRIAMANITRA ô, Hianao no fototry ny fiadanana sady tia fihavanana, ny fahalalana Anao no fiainana mandrakizay, ny fanompoana Anao no fahafahana tanteraka; arovy amin’ny fahavalonao rehetra izahay mpanomponao; mba tsy hatahotra na hery amelezany anay, fa hatoky mihitsy ny fiarovanao, noho ny herin’I Jesoa Kristy Tomponao Amena.