NIHANTONA ny Tompo
Tambonin’ny Lakroa,
Ka voahombo mafy
‘Lay reny mahasoa
2.Ny latsan’ny mpaneso
Tsy novaliany
Fa be ny indrafony
Ka izao no teniny
3.”Ny ratsy izay ataony
Dia tsy mba fantany
Koa maelà, ry Raiko
Ny ota vitany”
4.He! zaza tsy manoa
Sy meloka izahay
Ka dia ny indrafonao
No tadiavinay
5.Anay ny fahotana
‘Zay nanomboana Anao
Anao ny avo-tsoa
Izay naloanao
6.Ny teninao, ry Tompo
Tsy voatandrinay
Ka mamelà ny ota
Izay tsy fantatray
7.Vonjeo, ry Mpitia
Vonjeo izahay
Ka mamelà ny ota
Sao very izahay
Amena