Ry voasatro-tsilo


Retour

1.Ry voasatro-tsilo!

Ry voakapoka!

Indrisy! Be ny loza

Manafotra anao;

Nitsaohan’ny anjely

Fahiny Hianao:

Fa henatra sy latsa

Anjaranao izao

 

2. Hatolotro anie

Ny foko ho Anao

Mba hioriako re

Hiaraka aminao:

Raha henatra, ady, loza,

No ho anjarako.

Hianao Mpamonjy tsara

No hifaliako.

 

3. Tsarovy aho ry Tompo

Tra-pijaliana eo;

Tsy mendrika aho, nefa

Mba hamindrao fo re!

Akaikin’ny Lakroanao

 No itoerako.

Fa be ny indrafonao

Ka tsy holavinao.

 

Amena

Numéro de page - 60