TOY ny hafaliam-be
Nahitan’ny Magy re
Kintana mamiratra
Tonga mba hitarika;
Aoka ho entina ho Anao
Izahay, ry Tompo ô!
2.Toy ny nankanesany
Tao an-tranon-Tompony,
Mba hanaja fatratra
‘Lay hajaina an-danitra
Aoka hankany Aminao
Izahay, ry Tompo ô!
3.Toy ny nanaterany
Zava-tsoa nentiny,
Aoka mba haterinay
Zava-tsoa azonay
Mba ho fanajana Anao
Jesoa Kristy, Tompo ô!
4.Isan’andro, Jesoa ô!
Enga ka harovanao,
Tsy ho diso lalàna
Na ho tratry ny aizina
Izahay mpanomponao,
Olona voavotrao,
5.Tsy mba misy an-danitra
Hazavam-boaforonao
Masoandro Hianao
Mpanazava marina,
Enga ka hihira ao
Izahay, ry Jesoa ô!
Amena