Zay ambony, zay ambony!
He! Tongava, mifalia
Indro ao an-tranon’omby
Anjakan’ny Tompo tia;
he! Jereo Izy mandry
ampofoan’ny reniny;
makanesa mba hifaly
eo anatrehany
2.’Zay mahantra sady ory!
Manatona koa izao,
Fa ny Tompom-pamonjena
Efa naka ny toetrao;
He! Ny omby mnodidina
He! Ny trano ratsy koa
He! Mpiandry ondry foana,
No mitsaoka eo ny Soa
3.Mankanesa koa rankizy,
‘Zaza ity tompoinao,
ka alaovy tahaka Izy
Amin’ny fiainanao;
mankanesa, ry malemy
sy izay matanjaka,
Tompony tsara ka isaory
Zanak’Andriamnitra
4.Indro misy izao ‘lay kintana
Sady tsara no madio,
Avy koa ny olon-kendry
Mba hitsaoka io Zaza io;
Koa mba aoka handeha isika
Ka hamboa-panatitra;
Fo madio sy herintsika,
Haja sy fisaorana.
5.He! Ny mponina ao ambon,y
No miara-mankalaza
Zanahary tonga nofo
Naka fomban’olona
Dia tongava, mihobia
Lehibe sy kely koa;
Andro lehibe ny andro
Andro Kristmasy masina