TOMPO ô,Ianao efa nampianatra anay fa raha tsy manana fitiavana izahay dia tsinontsinona izay rehetra ataonay: Koa iraho ny Fanahinao Masina hamelona ato am-ponay izany fitiavana tsara indrindra izany, izay fehin’ny fihavanana sy ny fahatsaram-panahy rehetra, fa ny velona tsy manana izany dia maty fahavelony eo anatrehanao; ka omeo anay izany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amena.