Avia, ry mino, faly fa mpandresy


Retour

AVIA, ry mino, faly fa mpandresy,
ka mankanesa any Bethlehema
he! Tonga Jesoa Tompon’ny anjely:
Avia mba hitsaoka,
Avia mba hitsaoka,
Avia mba hitsaoka ny Tomponao


2.Tompon’ny tompo sy Mpanjaka Izy
Fa tsy handa ho Zanak’i Maria
Teraka Izy, nefa Zanahay
Avia mba hitsaoka ets


3. He! Ry anjely manandrata feo,
Ka miderà ny Tompon-danitra:
Laza ho Azy tafasandratra any,
Avia mba hitsaoka, etc


4.Dera sy haja raisonao, ry Jesoa,
Fa Hianao no teraka anio:
Tenin’ny Ray, kanefa tonga nofo
Avia mba hitsaoka etc

 
Numéro de page - 34