RY Kristy ô, Mpanavotra,
sy Endriky ny Ray Tsitoha,
Mitovy ny voninahitra
Sy fihaviana tokoa
2.Ilay Mazava Hianao,
Sy tokin’olombelona;
Tongava re, ka mba tahio
Ny vavakay atao anio
3.Tsarovy ny nandraisanao
Tan-kibon-dreninao madio
Ny fomban’olo-meloka,
Ka mamonje, ry Tompo ô!
4.Ny taona mitsingerina
Mitondra aminay indray
Ny andro, ka isaoranay
Anao Mpamonjy tokana
5.Nilaozanao ny Rainao tia
Hizaha ny ondrinao mania;
Ka mankalaza Anao izao
Ny asanao, ry Tompo ô!
6.Ka faly izahay anio,
Fa voasasa ka madio;
Ny fonay tsy mba reraka
Fa Hianao no teraka,
7.Anao ny voninahitra
Sy dera tsy mitsahatra,
Ry Trinite Isaorana,
Fanahy, Ray sy Zanaka
Amena