AVY Hianao Mpamonjy,
Hianao Mpanjaka ô;
Hianao mitafy hery,
Hianao Mpanjaka irery
Avy ao an-danitrao
Avy! Miposaka re,
Masoandro lehibe:
Avy! Ry Mpisoronay,
mba hatony izahay
2.Faly izahay handeha
Hifanena aminao
Hanehoanay ny lasa,
Hanatrehanay ny asa,
Voaloham-bokatrao,
He! Ny hafaliam-be,
Laza mety ho Anao;
He! Ny feo maro re,
‘Zay ataon’ny zanakao
3.Izahay izao maniry
Te hihaona aminao;
Malahelo, manantena
Sy miandry famonejna,
Ory fo ny zanakao:
Fa ho faly re ny fo,
Na ho ela aza izao,
Fifalian-tsy ho lo,
Raha hiseho Hianao
4.Ry Mpanjakanay malala,
Mba avia faingana;
Aoka ny aizina handalo
Mba hitsaho ny fahavalo,
Ao ambany tongotrao,
Ry Mpamonjy mba avia!
Ry Malala malakia!
Asehoy ny herinao
Sy ny voninahitrao
Amena