NY andro miharatsy
Ny loza avy koa
Ka aoka tsy ho tia
Izao mandalo ‘zao
Ho avy ny Mpitsara
Hamaly ny atao
Hanatrika Azy isika
Am-pitsarana ao
2.Ry mino mitsangàna,
Ny fonao mba ovao,
Ny ratsy aneneno,
Ny tsara ezahonao;
Ny maizina mba lavo,
Ny hazavana irio,
‘Lay hazavana tsara
An-danitra madio
3.Ry tany feno soa
Misento izahay
Maniry mba hahita
Anao fonenanany:
ao am-povoan-daza
sy anatrehan-dRay
Ny olona afa-doza
Miadam-pahizay
4.Ry lovan’ny mpandresy,
Ry fahità-madio!
He! Sambatra ny manana
Io zaza tsara io
Fa zovy tsy hiasa?
Moa misy kivy fo?
Ezaho handovana
Ny laza sy ny zo
5.Ry tany izay ho lova
Voavoatra ela be
Honenan’ny handova
Anjara lehibe!
Ry Jesoa, afindrao ô
‘Zahay navotanao
Ka any amponeno
An-tany soanao
Amena