Faingana, ry mpanjaka


Retour

FAINGANA, ry mpanjaka
Handray ny lovanao;
Faingàna re mba haka
Ny tany ho Anao
Avia hampifaly
Ny malahelo fo;
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo.


2.Avia fa misento
Aty ny olonao:
Ny fanjakana ento,
Fa Tompo; Ianao:
Tsy hisy hitomany
Eo anatrehanao;
Hiadana ny tany
Izay alehanao.


3.Ny tendrombohitra avo,
Ny lohasaha koa,
Ho tonga ravoravo
Sy tretrika avokoa;
Ny be tsy haka an-kery
Ny kely afa-po;
Tsy hisy izay ho very,
Tsy hisy ny manjo.


4.Mpanjaka sy Mpiaro
Mahery Hianao
Ny firenena maro
Hitoky aminao;
Ho avy lalandava
Izao rehetra izao
Hitondra harem-bevava
Ho eo an-trongotrao.

5.Faingàna, ry Mpamonjy
Ry Tompo be fitia;
Ny olonao tra-bonjy
Miantso hoe: Avia,
Anao ny fiderana
Anao ny laza be
Anao ny fanjakana
Sy arahaba e!

Amena

Numéro de page - 27