AMPODIO ‘zahay, Jehovah,
Amin’ny fitianao;
N' aiza n'aiza no aleha,
Aoka hovimbininao:
O! Ambino
Izahay mpanompoanao
2.Fa ny teny re androany
Aoka ho tadidy koa
Ka mba hiasanay saina
Hahazoanay ny soa
Isan’andro
‘Zay hiainanay aty
Amena