Mamy ny fitianao
Ry Jehovah Tomponay
Nahafoy ny Zanakao
Ho mpanavotra anay;
Ny fitiaanao anay
No mamelona anay,
ka misaotra Anao ‘zahay
zanahary Tomponay
2.Mamy ny fitianao,
Mahafaly fo tokoa,
Izahay avelanao
Mba hibebaka avokoa;
Fahavalo izahay
Nefa nohavaninao;
Tena ratsy izahay,
Nefa tsy nolavinao
3.Mamy ny fitianao
‘Zay hivimbina anay
Honina ao an-dapanao
Raha ho faty izahay;
Helo no anjarany
Noho ny heloka efanay,
Nefa namboarinao
Ho anay ny lanitra
4.Mamy ny fitianao
‘Zay andraisanao tokoa
Ny fisaoranay Anao
Toy ny zava-manitra,
Fiderana atolotray,
Saotra koa aterinay
Ka mba raiso ho Anao
Zanahary Tomponay
Amena