Tompo ô! Malalanay
Indreto izahay
Vonona hianatra
Ny teny Masinao.
Ampahirato ny masonay
Jesoa malala ô!
Hahita zava-mahagaga
Ao amin’ny Teninao
Hazavao ny sainay
Sokafy ny molotray
Diovy ny fonay
Amasino ny fanahinay
Mba ho mendrika ny ho zanakao.
Tompo ô! Malalanay …