Ary izao dia hotononina na hohirain’ny Ministera sy ny olona eo am-pitsanganana ny Foto-pinoan’ny Apostoly: afa-tsy amin’ny andro anaovana ny Foto-pinoan’i S.Antanasio
IZAHO mino an’Andriamanitra, Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany:
Ary an’I Jesoa Kristy Zanani-lahy Tokana Tompontsika, izay notorotoronina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina, naterak’I Maria Virijina, Nijaly tamin’ny nanapahan’I Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, dia maty, ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita: ary nony tamin’ny andro fahatelo dia nitsangana tamin’ny maty. Dia niakatra any an-danitra, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha ary avy any no hiaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina: Ny Eklesia Masina Katolika; Ny Fiombonan’ny Santa:
Ny Famelan-keloka: Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ary ny fiainana mandrakizay. Amena
Manaraka izany dia handohalika hivavaka ny olona rehetra rehefa nataon’ny Ministera hoe:
Homba anareo anie ny Tompo
Valiny
Ary homba ny fanahinao
Ministera
Tompo ô, mamindrà fo aminay
Kristy ô, mamindrà fo aminay
Tompo ô, mamindrà fo aminay
Dia hiara-manao ny Fivavahan’ny Tompo ny Ministera sy ny olona
RAINAY izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao: Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy: Fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena
Dia hitsangana ny Presbytera ka hanao hoe:
Tompo ô, asehoy anay ny famindramponao
Valiny
Ary omeo anay ny famonjenao
Ministera
Tompo ô, tariho ny Mpanapaka
Valiny
Ary henoy amin’ny famindramponao izahay raha mitaraina aminao
Ministera
Tafio fahamarinana ny Ministeranao
Valiny
Ary ampifalio ny olom-pidinao
Ministera
Tompo ô, vonjeo ny olonao
Valiny
Ary tahio ny lovanao
Ministera
Tompo ô, omeo fiadanana amin’ny andronay
Valiny
Satria tsy misy miady ho anay, afa-tsy Hianao irery ihany, Andriamanitra ô
Ministera
Andriamanitra ô, diovy ny fonay ato anatinay
Valiny
ary aza esorina aminay ny Fanahinao Masina
Ary izao dia misy Kolekta telo hatao: ny voalohany dia Kolekta izay voatendry hatao amin’ny Komoniona.