1.Mankanesa aty amiko ianareo
Izay miasa fatratra mavesatra entana
Fa Izaho no hanome anareo
Ny fitsaharana sy fiadanana.
Izany ê, izany re no hatolotr’i Jesoa
Raha manatona Azy ianao
Izany ê, izany re no hatolotr’i Jesoa
Raha manaiky Azy ianao.
Izaho no mpiandry ondry tsara
Izay mitandrina ny ondriko
Tsy mba hanenina na ho diso anjara
Izay mametraka ny fiainany amiko.