ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô. Hianao no manapaka ny zavatra rehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany: Henoy amin’ny famindramponao ny fitarainan’ny olonao, ka omeo fiadanana izahay amin’ny andro rehetra hiainanay; amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amena.