Aoka tsy ho sasatra hiantso ny anaran’i Jehovah
Aoka tsy ho menatra hitonona ny anaran’i Jehovah
Ao ka tsy hitsahatra ianao hidera an’i Jehovah
Fa tokim-pahasoavana mahery ho anao.
Refrain:
Derao ny anarany
Hobio ny heriny
Hirao, ankalazao
Ny voninahiny
Torio ny teniny
Araho ny didiny
Hajao ny hasiny
Mandrakizay.
Fitiavany no nanolorany an’i Kristy
Fitiavana no namonjena antsika rehetra nania
Fitiavan-dehibe tsy hadino
Tokim-pitahiana tsy miova antsika mpino.