Jesoa no tena vato fehizoro


Retour

1.Rendrarendra ve sa fifalian’ny maso koa

Sa endrika ho levona, sa felana halaza koa

No hanorenako izany tena fiainako

Ianao Jesoa irery no tena vato fehizoro.                                              

 

2.Eo aminao no tena irafetako

Hitombo tsara ho tempoly masina ao Aminao

Mba ho fonenanao sy ilay Fanahy Masinao

Ianao Jesoa no tena vato fehizoro.                                                       

 

Refrain:

Ka na orana hifafy

Na ny rivotra koa hifofo

Tsy mba hanan-tahotra aho

Tsy hangovitra aho (satria)

Vato mafy no tena mandam-piainako

Ianao Jesoa irery no tena vato fehizoro.

Numéro de page - 17