1.Eo akaikin’ny alitaranao
Jehovah ô no mba tiako izao
Hitoetra eo anilanao
Hidera ny anaranao.
2.Hafaliana tsy manam-paharoa
Fa tratr’izao andro anio izao tokoa
Notahian’ny Tompo Tsitoha
Velon’aina samy soa.
Refrain:
Jehovah ô! Tiako ny tranonao
Dia ny trano itoeranao.