Indro efa tafatsangana


Retour

Indro efa tafatsangana

Ny Tompontsika

O, mitrakà re ry tany

Venteso ny hiranao sy ny hoby

Hanakoako ho re!

Fa tsy hisy intsony tomany (Satria efa)

Vita izao ny famonjena ka mifalia

Toro ‘lay rafy nandoza

Voavaha izao ny gadram-paty ka mihobia

Kristy nivoaka ho mpandresy.                              

 

Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah

Derao ‘lay Tompo Tsitoha

Fa fitiavan-dehibe no nasehony sy natolony

Ka tsy hisy intsony tomany (satria efa)

Vita izao ny famonjena ka mifalia

Toro ‘lay rafy nandoza

Voavaha izao ny gadram-paty ka mihobia

Kristy nivoaka ho mpandresy.

                                                                                   

Isan’andininy:

Jesoa ‘zay nanolotr’aina hamonjy antsika

Hobio sy ankalazao amin’ny mozika

Satria naharesy ilay tena fahavalo

Ka tsy hisy intsony tomany (satria efa)

Vita izao ny famonjena ka mifalia

Toro ‘lay rafy nandoza

Voavaha izao ny gadram-paty ka mihobia

Kristy nivoaka ho mpandresy.

 

Numéro de page - 14