Tiako ny mihira mankalaza Anao
Ry Jesoa Mpamonjy Mpanjakanay
Hira fiderana no asandratray
Hira avy am-po hiraiko hiderana Anao.
Hira tsy mba misy fitsaharana
Fa mbola hitohy hatrany an-danitra
Hira mampiseho ny voninahitrao
Ka hanakoako sady hahafinaritra